Hymne n° 5
JESOA NO VOALOBOKA
✍ Rahaingomahefa Pascal 🎼 Rahaingomahefa Pascal 🎵 Sol majeur 📂 POP ROCK
MG
📖 Jaona 15 : 5
✦ ✦ ✦
JESOA NO VOALOBOKA Jesoa no voaloboka, Fa ny Ray no mpamboatra, Jesoa no voaloboka, Ianareo no sampany. Izay misaraka Aminy, Dia ariana fa malazo, Ary atsipy anaty afo, Ka ho dorana ho may Izay miray Aminy, Ary Jesoa Aminy, Dia mamoa be izy, Ary amboariny. Fa raha misaraka Aminy kosa hianareo, Dia tsy mahay manao na inona na inona, Ny sampany rehetra izay tsy mamoa, Dia esorina hiala ariana any ivelany. Fa raha miray Aminy kosa ianareo, Ary mitoetra ao aminareo ny teniny, Dia angataho avokoa izay tianareo, Fa ho tonga aminareo izany rehetra rehetra izany. Jesoa no voaloboka,… A/C/ : Rahaingomahefa Pascal