Hymne n° 2
TSO-DRANO
✍ Rahaingomahefa Pascal 🎼 Rahaingomahefa Pascal 📅 2019 🎵 Ré majeur 📂 GOSPEL
MG
📖 Nomery 6:24-26
✦ ✦ ✦
TSO-DRANO Hitahy anao anie ny Tompo, Ka hiaro anao, Hampamirapiratra ny tavany Aminao anie Izy, Hanandratra ny tavany Izy, Ka hamindra fo aminao, Ny fiainanao rehetra anie, Ho fenoiny fitiavana Ny fiadanany anie, Arotsany aminao, Ny fahasoavany anie, Atobany ho anao, Ka n’aiza n’aiza alehanao, Homba anao anie Jehovah, Na mivoaka ianao na miditra, Ho tahiany, hatrany Ianao AMENA. A/C : Rahaingomahefa Pascal