Hymn'AllNY ANTSA MIDERA (N.A.M.) › SOLIKA AFON'NY FITIA
Hymne n° 1

SOLIKA AFON'NY FITIA

Rahaingomahefa Pascal 🎼 Rahaingomahefa Pascal 📅 2016 🎵 Fa majeur 📂 BA-GASY MG
📖 Daniela 9:19
✦ ✦ ✦

SOLIKA AFON’NY FITIA Tena sarobidy loatra, Ny hasinao ry Gasikara, Fa meva kanto tafahoatra, Ka dia manintona sy tsara, Resy lahatra aho izao, Ianao dia tokana aman-tany, Ka ny fiaindriananao, Ho soatoaviko hatrany Andriamanitra Ray, aza ela Hianao, Vangio ny taninay, midina ka anjakao Aza avela hitranga ny fitavan-tena Izay manao am-pihimamba, ka mambotry firenena. Ts’isy tany azo asolo, Ny harenanao voajanahary, Indrisy anefa fa bontolo, No nentinao ka naharary, Dia onena anao ny foko, Ry Tanindrazana lalaina, Ataoko sorona ny aiko, Raha toa izany ka ilaina. Andriamanitra Ray, aza ela Hianao, Tsy ho foana sanatria, Miredareda tsy hay tohaina, Ilay SOLIKA AFON’NY FITIA, Ilay masoandro antenaina, Tompo izay nahary anao, No hampitraka sy hahatafita, Ry Gasikara tiako ianao, Ny fitiavako tsy ritra. Andriamanitra Ray, aza ela Hianao, A/C : Rahaingomahefa Pascal Mpihira : NY ANTSA MIDERA (NAM)

📝 Notes

Hira Fangataham-pitahiana ho an'ny Tanindrazana

← Retour à NY ANTSA MIDERA (N.A.M.)