Hymn'AllMiray Feo (Fjkm Mangamila Mananara Firaisana) › Toa lalana
Hymne n° 3

Toa lalana

MG
✦ ✦ ✦

Toa lalana saro-pantarina No diavintsika eto an-tany Matetika lavo fa miarina Dimbiasan’ny tsiky, tomany Mazàna kivy, toa faly koa Misento indraindray nefa miram-po Tsimbalivaly e! ny fiainana Tsy atao mahakivy hitarainana Fa misy ny lalana tsara e! Ho antsika ry havako etoana Lalana tsotra sy marina Mahitsy fa tsy mba mivaona Jeso ilay fahamarinana Lalana sady fiainana Ho antoky ny dianao ety Ry olona an-tanim-piadiana

← Retour à Miray Feo (Fjkm Mangamila Mananara Firaisana)