Hymn'AllMiray Feo (Fjkm Mangamila Mananara Firaisana) › Fanahy Masina
Hymne n° 2

Fanahy Masina

MG
✦ ✦ ✦

Fanahy Masina ô! Midina Ianao Mba hanamasina ny fo anatiko ao Fa feno loto re sy rakotr’ota koa Avia Ianao mba hanadio sy hanavao Ref: Ny asanao asehoy amin’ny Fiainako Ka dia mba fenoy Ny herinao ny tenako Miasa mahery Ianao ato anatiko Fanahy Mpananatra ô! Tongava Ianao Mba hanoro hanitsy koa ny diako izao Indraindray be siasia, mivily sy mania Tsy te-hanaraka ny lalana voasoritrao Ref: .....

← Retour à Miray Feo (Fjkm Mangamila Mananara Firaisana)